Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 16:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ratsy fanahy sady mpivadika amin’Andriamanitra ny olona ankehitriny: fatra-pitady famantarana nefa tsy homena famantarana afa-tsy ilay momba an’i Jônà mpaminany! Dia nandao azy ireo i Jesoa ka lasa nandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany. Dia nandao azy Jesosy ka lasa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ratsy fanahy sady mpivadika amin’Andriamanitra ny olona ankehitriny: fatra-pitady famantarana nefa tsy homena famantarana afa-tsy ilay momba an’i Jônà mpaminany! Dia nandao azy ireo i Jesoa ka lasa nandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Koa hainareo ny maminany amin’ny endriky ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana kosa tsy hainareo. Ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity dia mitady famantarana, fa tsy hisy famantarana hafa homena azy afa-tsy ny an’i Jônasy mpaminany ihany.» Dia nilaozany teo ireo, ka lasa Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany. Dia nandao azy Jesosy ka lasa.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 16:4
15 Rohy Ifampitohizana  

Koa hoy ny TOMPO hoe: «Tsy hitoetra mandrakariva ao amin’ny olona ny Fanahiko noho ny faniasiavany; amin’ny maha nofo azy dia ho 120 taona ny andro iainany.»


Fa ianareo kosa manatòna eto, ry zanaky ny mpamosavy, taranaky ny lehilahy mpanitsakitsa-bady sy ny vehivavy janga!


Tafaray amin’ny sampy i Efraîma, ka avelao izy


Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hoesoriko aminy ireny, ka tsy hisy miangana. Eny, hahita loza koa izy amin’ny handaozako azy.


Indray andro dia nisy baikon’ny TOMPO tamin’i Jônà zanakalahin’i Amitahy nanao hoe:


Avelao any ireo, fa jamba mitantana jamba; ary raha misy jamba mifampitantana, dia hifamarina an-kady.


Raha niainga hiampita ny rano ireo mpianatra, dia nanadino ny nitondra mofo;


Dia nisento lalina i Jesoa ka niteny hoe: –Nahoana ny olona ankehitriny no mitady famantarana? Lazaiko marina aminareo fa tsy homena famantarana akory izy.


Mpivadika amin’Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan’ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona, rehefa ho avy otronin’ny anjely masina sady ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy.


Kanefa nanohitra sy nanevateva azy ry zareo; ka dia nanopakopa-damba i Paoly sady nanao taminy hoe: –Anareo ny andraikitra raha toa ka manalavitra an’Andriamanitra ianareo, fa afaka adidy aminareo aho. Manomboka anio dia any amin’ny hafa firenena no halehako.


Mbola maro ny teny hafa nijoroan’i Petera ho vavolombelona ka nitaomany sy nananarany ny vahoaka hoe: –Vonjeo ny tenanareo ka misaraha amin’ireto olona mpaniasia ireto!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra