Dia hoy izy tamin’i Jakôba: «Avelao aho handeha, fa efa hazava ratsy ity ny andro.» Fa hoy i Jakôba: «Tsy avelako handeha ianao raha tsy efa nitso-drano ahy.»
Matio 15:25 - Baiboly Katolika Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: «Tompo ô! vonjeo aho!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanatona ihany anefa Ravehivavy sady niankohoka teo anatrehany no niteny Taminy hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. DIEM PROTESTANTA Tonga niankohoka teo anatrehan’i Jesoa anefa ravehivavy ka nanao hoe: –Tompo ô, ampio re aho! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tonga niankohoka teo anatrehan’i Jesoa anefa ravehivavy ka nanao hoe: –Tompo ô, ampio re aho! Baiboly Protestanta Malagasy Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. Malagasy Bible Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. La Bible en Malgache Nanatona ihany anefa Ravehivavy sady niankohoka teo anatrehany no niteny Taminy hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. |
Dia hoy izy tamin’i Jakôba: «Avelao aho handeha, fa efa hazava ratsy ity ny andro.» Fa hoy i Jakôba: «Tsy avelako handeha ianao raha tsy efa nitso-drano ahy.»
Mbola tao am-bohoka i Jakôba nanongona ny rahalahiny, ary tamin’ny fahavitrìhany dia nitolona tamin’Andriamanitra.
Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.»
Norahonan’ny vahoaka izy ireo mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Ry Tompo, Zanak’i Davida ô! mamindra fo aminay.»
Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka Azy ka nanao hoe: «Tompo ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.»
Ary nony nahita ny vahoaka nidodododo nanatona Azy i Jesoa, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy nanao hoe: «Ry fanahy marenina sy moana, Izaho mandidy anao, mivoaha amin’io zaza io, ka aza miditra ao aminy intsony.»