Matio 13:44 - Baiboly Katolika Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha izay hitan’olona ka nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra dia nividy izany saha izany. DIEM PROTESTANTA –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny harena miafina ao anaty saha. Nisy olona nahita ilay harena ka nafeniny tao ihany aloha; ary noho ny hafaliany dia lasa izy nivarotra ny fananany rehetra, ka nividy izany saha izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny harena miafina ao anaty saha. Nisy olona nahita ilay harena ka nafeniny tao ihany aloha; ary noho ny hafaliany dia lasa izy nivarotra ny fananany rehetra, ka nividy izany saha izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany. Malagasy Bible Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany. La Bible en Malgache Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha izay hitan’olona ka nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra dia nividy izany saha izany. |
Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.
Hatao inona ny vola eo an-tanan’ny adala? Hamidy ny fahendrena va? - Tsy azony an-tsaina izany.
Izay miolonolona irery mitady ny mahafa-po ny filàny ihany, ka mahatezitra azy avokoa izay hevitra mety rehetra.
Mahazoa ny marina, ka aza amidinao, mbamin’ny fahendrena, ny fampianarana, ary ny fahalalana.
Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa atỳ amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola, na takalo, hividy divay sy ronono.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy, nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
«Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao;
Ary hoy i Jesoa taminy: «Raha tahiny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»
Namaly i Piera ka nanao taminy hoe: «Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao, ka inona àry no ho azonay?»
Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro.»
Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Fa sady nangoraka izay nifatotra ianareo no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo, satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sy maharitra mandrakizay ianareo.
Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, dia hanan-karena ianao; sy fitafiana fotsy hitafianao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahanao; ary ody maso hahosotrao ny masonao dia hahiratra ianao.