Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 13:44 - DIEM PROTESTANTA

44 –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny harena miafina ao anaty saha. Nisy olona nahita ilay harena ka nafeniny tao ihany aloha; ary noho ny hafaliany dia lasa izy nivarotra ny fananany rehetra, ka nividy izany saha izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

44 Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha izay hitan’olona ka nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra dia nividy izany saha izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

44 –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny harena miafina ao anaty saha. Nisy olona nahita ilay harena ka nafeniny tao ihany aloha; ary noho ny hafaliany dia lasa izy nivarotra ny fananany rehetra, ka nividy izany saha izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

44 Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

44 Ary ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

44 Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

44 Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha izay hitan’olona ka nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra dia nividy izany saha izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 13:44
29 Rohy Ifampitohizana  

Tsy misy olona mahalala ny hasarobidiny, satria tsy hita ao amin’ny tanin’ny velona izy.


Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volamena, ary aleo mahazo fahaiza-manavaka toy izay volafotsy.


Hatao inona ny vola eo an-tanan’ny adala? Hamidy fahendrena ve? Tsy manan-tsaina hanao izany izy.


Ny tia tena dia tsy mitady afa-tsy ny tombontsoany; fa mampisafoaka azy rehefa mety fanampiana.


Manàna toetra mahatoky, ka aza amidy izany; aza amidy koa ny fahendrena sy ny fanabeazana ary ny fahaiza-manavaka.


He! Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano omeko! Na dia tsy manam-bola aza ianareo, avia maka sakafo, dia mihinàna fa tsy ialam-bola izany; avia maka divay na ronono, fa tsy vidina izany.


Ary nanolotra fanoharana hafa tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ity lehilahy namafy voa tsara tamin’ny tanimbariny.


Rehefa nahita anankiray sarobidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra, ka nividy izany vatosoa izany.


–Ary izao koa: ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka anaty ranomasina ka nanangona izao karazan-trondro rehetra izao.


Ary i Jesoa nanao taminy hoe: –Raha te ho velona aina tanteraka ianao, ndeha amidio ny fanananao ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!


Tamin’izay i Petera dia niteny tamin’i Jesoa hoe: –Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary dia izao miaraka aminao izao; ka inona àry no ho azonay?


Ary izay rehetra mahafoy trano na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy dia hahazo injato henin’izany ary hanana anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Fa izay misy ny harenao no hisy ny fonao koa.


Ary nofaranan’i Jesoa hoe: –Dia toy izany koa àry, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany, dia tsy afaka ho mpianatro!


Ary hoy i Jesoa taminy: –Izaho no mofo manome ny aina! Izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony;


Eny, izay rehetra hitantsika ao amin’ny Soratra Masina dia voasoratra ho fampianarana antsika mba hananantsika ny fanantenana no ho ny faharetana sy ny fampaherezana avy amin’ny Soratra Masina.


fa miafina ao amin’i Kristy ny rakitra rehetra momba ny fahendrena sy ny fahalalana avy amin’Andriamanitra.


Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo, ka hifampianatra sy hifananatra amim-pahendrena tanteraka ianareo; noho ny fahasoavana manenika anareo, dia mihirà amin’ny fonareo tokoa ho an’Andriamanitra ka mikaloa salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina.


niarahanareo niaritra ny fijalian’izay voafonja; ary nony norobaina ny fanananareo, dia nekenareo tamin-kafaliana izany satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sady maharitra ianareo.


Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan’ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra