Ny fon’izy ireo tsy mihontsina hoatra ny sabora, izaho kosa mahita ny fahafinaretako ao amin’ny lalànao.
Matio 13:15 - Baiboly Katolika fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa efa adala ny fon’izao olona izao; efa lalodalovana ny sofiny, efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony sy handre ny sofiny ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka hanasitrana azy Aho» (Isa 6.9-10). DIEM PROTESTANTA satria nihamafy fo ity vahoaka ity, nihadonto sofina ary nanakimpy maso; fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre ary ny fony hahafantatra ka hiverina amiko sy hositraniko ity vahoaka ity, hoy ny Tompo Andriamanitra! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara satria nihamafy fo ity vahoaka ity, nihadonto sofina ary nanakimpy maso; fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre ary ny fony hahafantatra ka hiverina amiko sy hositraniko ity vahoaka ity, hoy ny Tompo Andriamanitra! Baiboly Protestanta Malagasy Fa efa adala ny fon’izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho’’ (Isa. 6.9,10). Malagasy Bible Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10). La Bible en Malgache Fa efa adala ny fon’izao olona izao; efa lalodalovana ny sofiny, efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony sy handre ny sofiny ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka hanasitrana azy Aho» (Isa 6.9-10). |
Ny fon’izy ireo tsy mihontsina hoatra ny sabora, izaho kosa mahita ny fahafinaretako ao amin’ny lalànao.
Izay mikimpy maso hieritreri-pitaka, sy izay efa manaikitraiki-molotra, dia manao ratsy.
Voky lavenona izy; mivoana entin’ny fony voafitaka izy. Tsy hamonjy ny fanahiny izy, na hilaza hoe: «Moa tsy lainga va izay eto an-tanako?»
Hitako ny lalany ary hanasitrana azy Aho; hitari-dalana azy, ary hamerina aminy ny fampiononako, ho azy sy ho an’ireo malahelo eo aminy.
Ataovy lamodamoka ny fon’ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, dia tampeno ny masony, mba tsy hahita maso izy, sy tsy handre sofina ka tsy hibebaka sy tsy ho sitrana».
Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy; fa Ianao no fiderako!
Miverena, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. - Indreto izahay manatona Anao, fa Ianao no Iaveh Andriamanitray.
Indro asiako bandy ny feriny, sy tsaboiko izy, mba ho sitrana; ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo.
I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tananay. Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!
Tsy nety nihaino anefa izy ireo, fa nampiodina ny sorony sy nanamafy ny sofiny tsy hahare.
mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao mibebaka izy ka havela ny helony.»
«Raha izay kosa mantsy ianao no mba nahalala izay hampiadana anao, na dia amin’ity andro nomena anao ity ihany aza! Fa takona ny masonao izany ankehitriny.
Satria efa nihadonto ny fon’io firenena io, efa nihamarenina ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao mahita ny masony, sy mandre ny sofiny, ary mahalala ny fony, ka ndeha hibebaka izy, ka tonga mahazo famonjena avy amiko.› »
Dia notarihiny tany ivelan’ny tanàna izy, ka notorahany vato; ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
dia hanentsin-tadîny amin’ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana.
Maro ny zavatra azonay lazaina momba izany, saingy sarotra hohazavaina aminareo, noho ianareo votsa fandray zavatra.
Teo an-daniny roa amin’ny ony, dia nisy hazon’aina mamoa indroa ambin’ny folo, dia indray mandeha isam-bolana, ary mandravina fanasitranana ny firenena.