Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 12:43 - Baiboly Katolika

Rehefa nivoaka avy amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha eny amin’ny tanety maina hitady fialan-tsasatra; fa tsy mahita izy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha miala amin’ny olona ny fanahy maloto dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, nefa tsy mahita.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

–Rehefa miala amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mivezika etsy mivezika eroa any an-tany karakaina, mitady toerana hialana sasatra kanefa tsy mahita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Rehefa miala amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mivezika etsy mivezika eroa any an-tany karakaina, mitady toerana hialana sasatra kanefa tsy mahita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha miala amin’ny olona ny fanahy maloto dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, nefa tsy mahita.

Jereo ny toko



Matio 12:43
14 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Avy aiza ianao?» Dia hoy ny navalin’i Satana: «Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny».


Ary hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Avy aiza ianao?» Ka hoy i Satana namaly an’i Iaveh: «Avy nitety ny tany aho ary nitsangantsangana teny».


Salamon’i Davida. Fony izy tany an’efitr’i Jodà .


Hampiboiboika renirano, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho, ary loharano eo afovoan’ny lohasaha; hovako ho farihy ny efitra; ary ho loharano miboiboika, ny tany karankaina.


ka hoy izy: «Hody any an-tranoko izay nivoahako aho. Ary nony tonga izy ka hitany fa foana sy voadio ary voaravaka ny trano.


Ary indreo izy niantso hoe: «Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atỳ?»


Na ny tenan’i Simôna aza dia mba nino; ary rehefa natao Batemy izy dia tsy nahasaraka an’i Filipo, sady talanjona erỳ nahita ny famantarana amam-pahagagana lehibe tanteraka teo anatrehany.


Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.