Nizara ho antokony roa ny vahoaka amin’i Israely tamin’izay, ny antsasaky ny vahoaka moa nomba an’i Tebnì, zanak’i Gineta hampanjaka azy, ary ny antsasany nomba an’i Amrì.
Matio 12:25 - Baiboly Katolika Fantatr’i Jesoa anefa ny heviny ka hoy Izy: «Ho rava ny fanjakana rehetra izay miady an-trano, ary ho levona ny tanàna rehetra na ny fianakaviana izay miady an-trano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jesosy nahafantatra ny eritreriny dia niteny tamin’ireo hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. DIEM PROTESTANTA Fantatr’i Jesoa anefa ny eritreritr’ireo Farisianina ka hoy Izy taminy: –Ho rava izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na koa ankohonana miady an-trano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fantatr’i Jesoa anefa ny eritreritr’ireo Farisianina ka hoy Izy taminy: –Ho rava izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na koa ankohonana miady an-trano. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. Malagasy Bible Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. La Bible en Malgache Ary Jesosy nahafantatra ny eritreriny dia niteny tamin’ireo hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. |
Nizara ho antokony roa ny vahoaka amin’i Israely tamin’izay, ny antsasaky ny vahoaka moa nomba an’i Tebnì, zanak’i Gineta hampanjaka azy, ary ny antsasany nomba an’i Amrì.
Izaho Iaveh izay mandinika ny fo, sy mamantatra ny voa; ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny lalany, sy araka ny vokatry ny asany.
Satria izy no namorona ny tendrombohitra, sy nahary ny rivotra; izay mampahafantatra ny heviny amin’ny olombelona, izay mahatonga ny maraina ho maizina, sy mandia ny tampon’ny tany! Iaveh, Andriamanitry ny tafika no Anarany.
Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: «Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo?
Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: «Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: Fahano àry ny reniondriko.
Iza àry no hahalala izay ao am-pon’ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
Nivaky telo terỳ ny tanàna lehibe, nirodana avokoa ny vohitry ny firenena maro; ary notsarovan’Andriamanitra i Babilôna lehibe, mba hampisotroany azy ny kapoakan-divain’ny fahatezerany mirehitra.
Hasiako amin’ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.