Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 11:16 - Baiboly Katolika

Amin’inona no hanoharako ity taranaka ity? Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja, izay miantso ny namany,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka miteny hoe:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Iza no hanoharako ny olona ankehitriny? Tahaka ny ankizy mipetra-potsiny eny an-kianja ka omen’ny namany tsiny hoe:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Iza no hanoharako ny olona ankehitriny? Tahaka ny ankizy mipetra-potsiny eny an-kianja ka omen’ny namany tsiny hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka miteny hoe:

Jereo ny toko



Matio 11:16
12 Rohy Ifampitohizana  

Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao, ry zanaka vavin’i Jerosalema? Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao, ry virjiny, zanaka vavin’i Siôna? Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao; iza no hanasitrana anao?


Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino.


ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandòn-tratra ianareo.


Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava?


Izaho milaza marina aminareo fa tsy maintsy hihatra amin’ity taranaka ity izany rehetra izany.»


ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.


Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity, ambara-pahatongan’izany rehetra izany.


Dia izao koa no nolazainy tamin’ny fampianarany: «Mahìna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja,


Ary hoy indray Izy: «Amin’inona no hampitahàntsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?


Mila loza ianareo, ry Farisianina, fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagoga sy ny arahaba eny an-kianja ianareo.


Dia hoy koa i Jesoa: «Ny inona no tahaka ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy?