Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany!
Matio 1:23 - Baiboly Katolika Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: «amintsika Andriamanitra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 «Indro ny virijiny hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany dia hataon’ny olona hoe: Imanoela» (Isa 7.14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA «Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy; ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela,» (izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»). Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy; ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela,» (izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»). Baiboly Protestanta Malagasy ,,Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela’’ (Isa. 7.14), izany hoe, raha adika: ,,Amintsika Andriamanitra’’. Malagasy Bible Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. La Bible en Malgache «Indro ny virijiny hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany dia hataon’ny olona hoe: Imanoela» (Isa 7.14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. |
Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany!
Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana; vao nampandre ny feony Izy dia nihotsaka matahotra ny tany.
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
Noho izany dia ny tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro nanana anaka ny Virjiny, ka miteraka zaza lahy, ary ny anarany hataony hoe Emanoela.
Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Josefa, dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny,
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.
Indray alina, dia hoy ny Tompo tamin’i Paoly tamin’ny tsindrimandry: «Aza matahotra, fa mampianara, ka aza mangina.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny noho i Kristy, izay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay.
Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.
Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.
Ho ao amin’ny fanahinao anie i Jesoa Kristy Tompo. Ary ho ao aminareo anie ny fahasoavana.