11 Hoy ny Tompo hoe: «Tapitra hatreo ny ady; ka ekeo fa Izaho no Andriamanitra, voasandratra hanerinerina amin’ireo firenena, voasandratra hanerinerina amin’ny tany.»
11 Hoy ny Tompo hoe: «Tapitra hatreo ny ady; ka ekeo fa Izaho no Andriamanitra, voasandratra hanerinerina amin’ireo firenena, voasandratra hanerinerina amin’ny tany.»
Ary nisy olon’Andriamanitra anankiray nanatona ka nilaza tamin’ny mpanjakan’i Israely hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ny Sirianina, nanao hoe: Andriamanitry ny tendrombohitra i Iaveh, fa tsy mba andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao avokoa ireo vahoaka be ireo, ka ho fantatrareo fa i Iaveh Aho.»
«Ry Iaveh Andriamanitry ny razanay ô, moa tsy Andriamanitra any an-danitra va Ianao? Ary moa tsy manapaka ny fanjakana rehetra amin’ny firenena, ary moa tsy eo an-tananao va ny hery amam-pahefana, ka tsy misy hahatohitra Anao?
Dia nangataka taminy izy; dia nety ifonana i Iaveh ka nihaino ny fifonany, sy nampody azy ho any Jerosalema amin’ny fanjakany. Dia niaiky i Manase fa Andriamanitra i Iaveh.
Ny fiandrianan’ny mason’ny olona, hatanondrika, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.
Ry Iaveh, heriko ama-mandako, sy fialofako amin’ny andron’ny fahoriana, ho tonga aminao ny firenena maro, avy amin’ny faran’ny tany, ka hanao hoe: Ny razanay tsy nahazo lova afa-tsy ny lainga, sy zava-poana tsy azo atao na inona na inona!
Ny Andriamanitry ny taona fahagola dia fialofana, ny sandriny mandrakizay no anohanany anao; mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy, sady milaza hoe: Aringano.