Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»
Matio 1:18 - Baiboly Katolika Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Josefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toy izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy. Rehefa nanaiky ho fofombadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy raha tsy mbola nivady izy roa. DIEM PROTESTANTA Toy izao no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Efa fofombadin’i Jôsefa i Maria renin’i Jesoa tamin’izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan’ny Fanahy Masina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy izao no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Efa fofombadin’i Jôsefa i Maria renin’i Jesoa tamin’izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan’ny Fanahy Masina. Baiboly Protestanta Malagasy ARY ny nahaterahan’i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin’i Jesosy, ho fofombadin’i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Malagasy Bible Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy. La Bible en Malgache Toy izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy*. Rehefa nanaiky ho fofombadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy raha tsy mbola nivady izy roa. |
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»
Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Izy, dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy,
ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny, ka niankohoka nitsaoka Azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. Ary indro ilay kintana hitany tany atsinanana, dia nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza.
«Izao no nataon’ny Tompo tamiko, tamin’ny andro nitsinjovany ahy hahafa-tondro-maso ahy amin’ny olona.»
«Raha misy zazavavy virjiny efa fofom-badin’olona, ary misy lehilahy mifanehatra aminy ao an-tanàna ka mandry aminy,
Noho izany indrindra, nony niditra tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe: Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho ahy ianao;
Eny tokoa, dia mpisorom-be toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;