Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 10:5 - Baiboly Katolika

5 Noho izany indrindra, nony niditra tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe: Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho ahy ianao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Koa nony niditra tamin’izao fiainana izao Izy dia niteny hoe: «Tsy mba nilainao ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, fa tena no namboarinao ho Ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Noho izany, fony niditra teto amin’izao tontolo izao i Kristy, dia niteny tamin’Andriamanitra hoe: «Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa tena no namboarinao ho Ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Noho izany, fony niditra teto amin’izao tontolo izao i Kristy, dia niteny tamin’Andriamanitra hoe: «Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa tena no namboarinao ho Ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Koa nony niditra tamin’izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: ,,Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Koa nony niditra tamin’izao fiainana izao Izy dia niteny hoe: «Tsy mba nilainao ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, fa tena no namboarinao ho Ahy;

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 10:5
26 Rohy Ifampitohizana  

Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»


Mampaninona ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy i Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin’ny saboran-janak’omby. Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy.


I Libàna, tsy ampy hataina, ary ny biby ao, tsy ampy ho sorona dorana.


Noho izany dia ny tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro nanana anaka ny Virjiny, ka miteraka zaza lahy, ary ny anarany hataony hoe Emanoela.


Fa nahary zava-baovao amin’ny tany i Iaveh: vehivavy hanodidina lehilahy.


Mampaninona Ahy izay emboka manitra avy any Sabà, sy izay veromanitra sarobidy avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona doranareo; tsy mamiko ny soronareo.


hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?»


«Ny Fanahy Masina, hoy ny Anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.


ka dia niantso roa lahy tamin’izy ireo izy nalefany ho any amin’i Jesoa hanao aminy hoe: «Ianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no handrasantsika?».


Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.


fa rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna,


Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.


Ary rehefa mampiditra ny Lahimatoa atỳ ambonin’ny tany indray izy, dia manao hoe: Aoka hitsaoka azy ny Anjelin’Andriamanitra rehetra.


ary ny herin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.


ka hoy Aho hoe: Inty Aho tonga fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!


Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; -


Koa satria mana-nofo aman-dra ny zaza, dia mba naka izany koa Izy, handringanany amin’ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, dia ny devoly,


Tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,


Satria ny mpisorom-be rehetra, dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona, ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa Izy.


Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra