Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 9:47 - Baiboly Katolika

izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary raha ny masonao no manafintohina anao dia esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso any amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny helo;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary raha ny masonao no manafintohina anao dia esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso any amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe;

Jereo ny toko



Marka 9:47
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana, mahatehijery sy mendrika hoirîna mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin’ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.


Efa fanekena nataoko tamin’ny masoko, ka hataoko ahoana no fanopy maso hijery virjiny?


Avilio tsy hahita izay zava-poana ny masoko; ataovy velona ao amin’ny lalànao aho.


Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory ka ario lavitra anao, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay mana-maso roa ariana any amin’ny gehen’afo.


Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.


izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.


Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo,


«Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro.


Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.»


Fa hoy i Jesoa: «Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra.


Koa lasa nankaiza àry ilay fankamamianareo ahy nahasambatra anareo? Fa izaho no vavolombelonareo fa raha azo natao, na dia ny masonareo aza, dia ho nombotanareo homena ahy fahizany.