Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:47 - DIEM PROTESTANTA

47 Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

47 Ary raha ny masonao no manafintohina anao dia esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso any amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

47 Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

47 izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

47 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny helo;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

47 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

47 Ary raha ny masonao no manafintohina anao dia esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso any amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe;

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:47
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary hitan-dravehivavy fa maha te hihinana ny voan’ilay hazo sady mahasarika ny maso no mampitsiriritra hahazoana fahiratan-tsaina. Dia nitoazany ny voany ka nohaniny; ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy ka nihinana.


Efa nanao fanekena tamin’ny masoko aho, fa tsy hanam-pijery mitsiriritra tovovavy.


Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; velomy amin’ny sori-dàlanao aho.


Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory ka ario lavitra anao; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo.


Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin’ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin’ny lohasahan’afo.


Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tananao ila, dia tapaho; fa aleo ianao tokan-tanana nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tanan-droa nefa mivarina any amin’ny lohasahan’afo, dia any amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra. [


Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»]


–Raha misy manatona Ahy, aoka ho tia Ahy mihoatra noho ny ray aman-dreniny sy ny vady aman-janany mbamin’ny mpiray tampo aminy, ary mihoatra noho ny tenany aza; fa raha tsy izany, tsy afaka ho mpianatro.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy afa-mahita ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Ka novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ny olona, dia tsy afa-miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Nankaiza àry ilay fankamamianareo ahy nahasambatra anareo? Ijoroako ho vavolombelona aminareo manko fa, raha azo natao, na dia ny masonareo aza dia ho nombotanareo homena ahy tamin’izay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra