Fa hatrizay nankanesako tany amin’i Faraôna hiteny amin’ny anaranao izay, ny vahoaka tsy itondrany roa intsony, nefa ianao tsy nanafaka ny vahoakanao velively akory.»
Marka 9:26 - Baiboly Katolika Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy, dia nareniny, ka nitsangana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy dia niala taminy. Ary efa toy ny maty ilay zazalahy ka nolazain’ny maro hoe maty. DIEM PROTESTANTA Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon’ny maro hoe maty. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon’ny maro hoe maty. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon’ny maro hoe: Maty. Malagasy Bible Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty. La Bible en Malgache Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy dia niala taminy. Ary efa toy ny maty ilay zazalahy ka nolazain’ny maro hoe maty. |
Fa hatrizay nankanesako tany amin’i Faraôna hiteny amin’ny anaranao izay, ny vahoaka tsy itondrany roa intsony, nefa ianao tsy nanafaka ny vahoakanao velively akory.»
Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: «Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalin’ny demony mafy loatra ny zanakovavy»;
Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy.
Dia niteny i Jesoa nanao hoe: «Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.»
Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe: «Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?» ka novaliany hoe: «Hatry ny fony izy mbola kely;
Dia sady ninananàna ny demony no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy, ka efa toy ny maty ilay zazalahy, ary efa nataon’ny maro hoe maty aza.
Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanontanian’ny mpianany mangingina hoe: «Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?»
Koa mifalia, ry lanitra, mbaminareo monina ao aminy. Fa hahita loza kosa ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa navarina any aminareo ny devoly, misafoaky ny hatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.»