Marka 9:21 - Baiboly Katolika ary matetika izy no nazeran’ny demony tamin’ny afo sy tany anaty rano mba hahafaty azy; ka raha mba misy hainao re, mamindrà fo aminay, ary vonjeo izahay!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jesosy nanontany ny rainy hoe: Hatramin’ny oviana izay no nahatongavan’izao taminy? Dia hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. DIEM PROTESTANTA Ary nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa hoe: –Hatramin’ny oviana izao? Dia hoy ny rainy: –Hatramin’ny fahakeliny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa hoe: –Hatramin’ny oviana izao? Dia hoy ny rainy: –Hatramin’ny fahakeliny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. Malagasy Bible Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. La Bible en Malgache Ary Jesosy nanontany ny rainy hoe: Hatramin’ny oviana izay no nahatongavan’izao taminy? Dia hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. |
no ho teraka mba hozoim-pahoriana ny olona, toy ny zanaky ny varatra mba hiakatra fanidina.
Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe: «Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?» ka novaliany hoe: «Hatry ny fony izy mbola kely;
Ary ity zanaka vavin’i Abrahama izay efa nafatotr’i Satana hatramin’ny valo ambin’ny folo taona ity ve tsy tokony hovahana amin’izany fatorana izany amin’ny andro sabata?»
ary nisy vehivavy anankiray nitsì-dra hatramin’ny roa ambin’ny folo taona, efa nandany ny fananany rehetra tamin’ny dokotera, fa tsy nisy nahasitrana azy na dia iray aza,
Nihaino an’i Paoly nitory teny izy io, ary nibanjina azy i Paoly, ka nahita fa nino izy fa ho sitrana,
Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentina isan’andro sy napetraka teo am-baravaran’ny Tempoly atao hoe Tsaraendrika, mba hangataka fiantrana tamin’izay niditra tao an-Tempoly.
ka nahita lehilahy anankiray atao hoe Enea, izay nandry teo am-pandriana hatramin’ny valo taona, fa malemy,