Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy.
Marka 9:20 - Baiboly Katolika Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe: «Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?» ka novaliany hoe: «Hatry ny fony izy mbola kely; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia noentiny teo Aminy izy. Fa nony nahita an’i Jesosy izy dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ilay fanahy. Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. DIEM PROTESTANTA Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an’i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin’ny tany ary niolanolana sy nandoa vory. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an’i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin’ny tany ary niolanolana sy nandoa vory. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an’i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ny fanahy. Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. Malagasy Bible Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. La Bible en Malgache Dia noentiny teo Aminy izy. Fa nony nahita an’i Jesosy izy dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ilay fanahy. Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. |
Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy.
Dia niteny i Jesoa nanao hoe: «Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.»
Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony, dia nampifanintontsintona ny zaza, ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory.
ary matetika izy no nazeran’ny demony tamin’ny afo sy tany anaty rano mba hahafaty azy; ka raha mba misy hainao re, mamindrà fo aminay, ary vonjeo izahay!»
Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe: «Mangina, ary mialà amin’io lehilahy io.» Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory.
Fa i Jesoa efa nandidy ny fanahy maloto hiala amin-dralehilahy. Fa matetika no nasian’ny fanahy maloto izy io, ka na nofatorana rojo vy sy nogadràn-tongotra aza, dia tapany ny fatorany, ka nentin’ny demony niriorio foana tany an’efitra tany izy.
fa azon’ny fanahy ratsy izy, ka vantany vao tongany dia midradradradra sady akapokapony mafy dia mafy ataony mandoa vory, ary tsy avelany raha tsy efa torovana erỳ.
Ny devoly no ray niavinareo, ka izay tian’ny rainareo no tianareo hatao. Ary izy dia mpamono olona hatramin’ny voalohany sy tsy naharitra tamin’ny marina, satria tsy misy marina ao aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy izany, satria mpandainga sy rain’ny lainga izy;
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.