Ary hoy Izy taminy: «Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa amin-dry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ny fanoharana,
Marka 8:29 - Baiboly Katolika «Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?» hoy Izy tamin’izy ireo. Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: «Ianao no Kristy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa dia milaza Ahy ho iza? Dia namaly i Petera ka niteny taminy hoe: Ianao no Kristy. DIEM PROTESTANTA Dia nanontany azy ireo indray i Jesoa hoe: –Fa ianareo kosa, iza moa Aho aminareo? Namaly i Petera ka nanao taminy hoe: –Ianao no ilay Mesia! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanontany azy ireo indray i Jesoa hoe: –Fa ianareo kosa, iza moa Aho aminareo? Namaly i Petera ka nanao taminy hoe: –Ianao no ilay Mesia! Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy. Malagasy Bible Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy. La Bible en Malgache Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa dia milaza Ahy ho iza? Dia namaly i Petera ka niteny taminy hoe: Ianao no Kristy*. |
Ary hoy Izy taminy: «Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa amin-dry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ny fanoharana,
«Fa ianareo kosa, hoy Izy, mba manao Ahy ho iza?» Dia namaly i Piera ka nanao hoe: «I Kristin’Andriamanitra.»
«Eny, Tompoko, hoy izy taminy, mino aho fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao.»
sy nanao tamin-dravehivavy hoe: «Tsy noho ny filazanao intsony no inoanay fa ny tenanay izao no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy ny olona.»
Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe: «Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay;
Nony nandeha kelikely izy ireo, dia sendra rano, ka hoy ilay manamboninahitra: «Indro eo rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao Batemy?»
ary nitory teo amin’ny sinagoga niaraka tamin’izay izy, ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra.
Koa voninahitra ho anareo izay mino; fa ho an’izay tsy mino kosa dia: Ny vato nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro,
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia nateraka avy amin’Andriamanitra; ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa.