Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 6:39 - Baiboly Katolika

Dia nasainy napetraka ny olona rehetra hatao mitsitokotoko eny amin’ny ahi-maitso izy ireo;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nasain’i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra ny mpianatra ka natao mitsitokotoko teny ambonin’ny ahi-maitso ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nomen’i Jesoa baiko ny mpianatra hampipetraka ny olona rehetra, ka hampitsitokotoko azy eny ambony ahi-maitso.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nomen’i Jesoa baiko ny mpianatra hampipetraka ny olona rehetra, ka hampitsitokotoko azy eny ambony ahi-maitso.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nasain’i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin’ny ahi-maitso izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nasain'i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin'ny ahi-maitso izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nasain’i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra ny mpianatra ka natao mitsitokotoko teny ambonin’ny ahi-maitso ireo.

Jereo ny toko



Marka 6:39
9 Rohy Ifampitohizana  

ny sakafo teo ambony latabany, ny trano fitoeran’ny mpanompony, ny efitra amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony mbamin’ny mpandroso divay eo aminy, ny ambaratonga fiakarany ho eo amin’ny tranon’i Iaveh, dia talanjona


Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka;


Ary hoy Izy taminy: «Manana mofo firy ianareo? Mandehana hoe zahao.» Ary rehefa nozahàny, dia hoy izy: «Mofo dimy sy hazandrano roa.»


ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimampolo.


Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: «Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimampolo avy ny olona.»


Dia hoy i Jesoa: «Asaovy mipetraka ny olona.» Ary nisy ahitra be teo, ka dia nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo no isan’ny lehilahy.


satria Andriamanitra tsy mba Andriamanitry ny tabataba, fa Andriamanitry ny fiadanana.


fa indrindra: aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.