Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo: «Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo, ambara-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.»
Marka 5:43 - Baiboly Katolika Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’olona izany; ary nasainy nomena hanina Razazavavy. DIEM PROTESTANTA fa i Jesoa kosa namepetra mafy mba tsy hisy hahalala izao zavatra izao; ary dia nasainy nomena sakafo razazavavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa i Jesoa kosa namepetra mafy mba tsy hisy hahalala izao zavatra izao; ary dia nasainy nomena sakafo razazavavy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy. Malagasy Bible Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy. La Bible en Malgache Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’olona izany; ary nasainy nomena hanina Razazavavy. |
Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo: «Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo, ambara-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.»
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza, fa mandehana miseho amin’ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.»
Dia nihiratra ny masony, ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe: «Tandremo sao ren’olona izao.»
«Ianao no Zanak’Andriamanitra»; fa rarany sy rahonany mafy izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana Azy.
Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy ka namindra fa efa roa ambin’ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona.
Ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza; fa araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe, mitsangan-ko velona avy any amin’ny maty.
Ary rehefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakiny, dia natolony azy ireo.
Noraran’i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza izy; «fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, hoy Izy, ary manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny olona.»
Talanjona ny ray aman-dreniny, fa i Jesoa nandrara azy tsy hilazalaza amin’olona izay natao.
tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinana sy nisotro taminy; rehefa nitsangan-ko velona Izy.