Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 4:37 - Baiboly Katolika

Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisy tafio-drivotra mahery ka nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ary efa ho feno rano.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary indro nisy tafio-drivotra mahery ka tafiditry ny alon-drano hatrany anaty sambokely, ary efa nila ho feno rano ny sambokely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary indro nisy tafio-drivotra mahery ka tafiditry ny alon-drano hatrany anaty sambokely, ary efa nila ho feno rano ny sambokely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisy tafio-drivotra mahery ka nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ary efa ho feno rano.

Jereo ny toko



Marka 4:37
11 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Indro, azonao anaranam-po avokoa izay ananany, fa ny tenany tokana no aza kasihin-tanana». Dia niala teo anatrehan’i Iaveh i Satana.


ary indro nisy rivotra mahery nifofofofo avy any an-dafin’ny efitra, nanainga ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ireo zatovo ny trano, ka maty izy: izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».


Fa i Iaveh kosa nampifofofofo ny rivo-mahery teny amin’ny ranomasina, ka nisy tafio-drivotra teny amin’ny ranomasina; ny sambo efa nila ho vaky.


Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.


Fa i Jesoa kosa natory teo ambody sambo kely tambonin’ny ondana, ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe: «Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?».


Nony tonga tao amin’ny andilan-tany anankiray izy, dia niantsona teo ny sambo; ka ny loha sambo moa nihizina tsy afa-nihetsika teo, fa ny vody sambo kosa vaky azon’ny herin’ny onja.


intelo nokapohina rotsakazo; indray maka, notoraham-bato; intelo, vaky sambo; indray andro sy indray alina, tao an-davaka lalina.