Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 4:32 - Baiboly Katolika

fa tonga lehibe indrindra amin’ny ànana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina ialofana ny alokalony.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa rehefa voafafy kosa izy dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina anorenana ny akaniny sy ialokalofany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

saingy rehefa voafafy, dia mitombo, ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, sady misy rantsana vaventy ahafahan’ny voro-manidina manao akany honenana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

saingy rehefa voafafy, dia mitombo, ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, sady misy rantsana vaventy ahafahan’ny voro-manidina manao akany honenana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon’ny voro-manidina itoerana ny alokalony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa rehefa voafafy kosa izy dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina anorenana ny akaniny sy ialokalofany.

Jereo ny toko



Marka 4:32
15 Rohy Ifampitohizana  

Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo.


Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha.


Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina, ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro.


Toy ny foto-pôma any afovoan’ny hazo any an’ala, ny malalako eo amin’ny zazalahy. Niriko ny hipetraka eo ambanin’ny alokalony, ary mamy ao am-bavako ny voany.


Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran’ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana an’i Iaveh, toy ny fanambanin’ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.


Ka izy ireo dia samy ho fiarovana amin’ny rivotra; ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; tahaka ny ranovelona amin’ny tany karankaina; tahaka ny alo-batolampy eo amin’ny tany foana.


Ilay fofon’aintsika, ilay voahosotr’i Iaveh, voasambotra tao an-davak’izy ireo, dia ilay nataontsika hoe: «Eo ambanin’ny alokalony, no ho velona any amin’ny firenena isika.»


Eo amin’ny tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona honenan’izao fody amam-boro-madinika rehetra izao eo amboniny, honenan’ny vorona rehetra eo amin’ny alokaloky ny rantsany.


Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy; fa rehefa nitombo kosa, dia lehibe noho ny ànana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin’ny rantsany.


Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,


Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain’izy ireo.