Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 4:32 - DIEM PROTESTANTA

32 saingy rehefa voafafy, dia mitombo, ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, sady misy rantsana vaventy ahafahan’ny voro-manidina manao akany honenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 fa rehefa voafafy kosa izy dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina anorenana ny akaniny sy ialokalofany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 saingy rehefa voafafy, dia mitombo, ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, sady misy rantsana vaventy ahafahan’ny voro-manidina manao akany honenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 fa tonga lehibe indrindra amin’ny ànana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina ialofana ny alokalony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon’ny voro-manidina itoerana ny alokalony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 fa rehefa voafafy kosa izy dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina anorenana ny akaniny sy ialokalofany.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 4:32
15 Rohy Ifampitohizana  

Amin’ny hazo eny amoron-drano eny no manao akany ny voro-manidina izay mikarantsana anaty ravin-kazo.


Izay mipetraka ao amin’ny fialofan’ilay Avo Indrindra dia mitoetra eo ambany fiarovan’Andriamanitra Tsitoha,


Ny fitondrantenan’ny olo-marina dia toy ny fahazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pahantoandro ny andro.


Toy ny hazo paoma anankiray eo anivon’ireo hazo anaty saha, dia toy izany ity malalako eo anivon’ireo zatovolahy. Ka mahafinaritra ahy ny mipetraka eo ambany alokalon’io hazo paoma io, sady mamy ao am-bavako ny voany.


Tsy hisy hanimba na handratra manerana ny tendrombohitra masina, satria ny fahalalana ny TOMPO no hanenika izany tany izany tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.


Samy toy ny fierena amin’ny tafio-drivotra izy samy toy ny fialofana amin’ny oram-baratra, samy toy ny sakeli-drano amin’ny tany karankaina ary toy ny aloky ny harambato amin’ny tany ngazana.


Ilay niankinan’ny fiainanay, ilay mpanjaka nohosoran’ny TOMPO ka mba efa nilazanay hoe: «Eo ambany fiarovanao no hanananay toerana eo anivon’ny firenen-kafa», dia indro voafandriky ny longoam-pahavalo!


Eny an-tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy. Handrobona ny rantsany ka hamoa, dia hanjary sedera mahafinaritra izy. Hanao akany eny amin’ny rantsany sy hitoetra eo ambany alony ny vorona isan-karazany.


Madinika indrindra amin’ny voa famafy rehetra ny voan-tsinapy, saingy rehefa maniry, dia izy no lehibe indrindra amin’ny anana rehetra sady tonga hazo; dia avy ny voro-manidina manao akany honenana ao amin’ny rantsany.


Tahaka ny voan-tsinapy, ka raha ilay afafy amin’ny tany iny, dia madinika indrindra izy amin’ny voa famafy rehetra etỳ ambonin’ny tany;


Dia fanoharana maro tahatahaka izany no nanambaràn’i Jesoa ny tenin’Andriamanitra tamin’ny olona, araka izay mety ho takatry ny sain’ny mpihaino.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra