Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan’ny mpanao ratsy: ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.
Marka 4:31 - Baiboly Katolika Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voan-javatra rehetra raha vao afafy amin’ny tany; DIEM PROTESTANTA Tahaka ny voan-tsinapy, ka raha ilay afafy amin’ny tany iny, dia madinika indrindra izy amin’ny voa famafy rehetra etỳ ambonin’ny tany; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tahaka ny voan-tsinapy, ka raha ilay afafy amin’ny tany iny, dia madinika indrindra izy amin’ny voa famafy rehetra etỳ ambonin’ny tany; Baiboly Protestanta Malagasy Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin’ny tany; Malagasy Bible Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany; La Bible en Malgache Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voan-javatra rehetra raha vao afafy amin’ny tany; |
Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan’ny mpanao ratsy: ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.
Fa nisondrotra teo anatrehany Izy, tahaka ny hazo madinika marefo, tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika; na bika namelona ny fitiavantsika.
Ny vitsy indrindra ho tonga arivo; ary ny kely indrindra ho firenena mahery. Izaho Iaveh no hanafaingana izany samy amin’ny fotoany avy.
Amin’izany andro izany, i Iaveh hanangana manda manodidina ny mponina ao Jerosalema, ary izay mangozohozo eo amin’izy ireo, dia ho tahaka an’i Davida amin’izany andro izany, ary ny taranak’i Davida ho tahaka an’Andriamanitra, dia ho tahaka ilay Anjelin’i Iaveh, eo anoloan’izy ireo.
Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao, ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!
Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madio amin’ny Anarako ny olona, amin’ny fitoerana rehetra satria lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena, hoy i Iavehn’ny tafika.
Ary hoy indray Izy: «Amin’inona no hampitahàntsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
fa tonga lehibe indrindra amin’ny ànana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voromanidina ialofana ny alokalony.»
Fa hoy ny Tompo: «Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: ‹Miongòta, ka mifindrà any anatin’ny ranomasina›, dia hanaiky anareo izy.»
Dia natao Batemy izay nandray tsara ny teniny, ka niampy tokony ho telo arivo ny isan’ny mpianatra tamin’izany andro izany.
Nony nandre izany izy ireo, dia nankalaza an’Andriamanitra sy nanao taminy hoe: «Hitanao, ry rahalahy, fa arivo maro ny Jody nino izao, nefa mbola fatra-pitana ny Lalàna izy rehetra.
Maro anefa tamin’izay nandre ny tenin’izy ireo no nino, ka tonga dimy arivo ny isan’ny lehilahy.
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»