Amin’izay ianareo va hilaza hoe: ‹Nahoana isika no nanenjika azy?› fa ho hita ny mahamarina ny adiko.
Marka 4:17 - Baiboly Katolika nefa tsy miorina lalina ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 nefa tsy mamahatra lalina ao anatiny ireny fa mihelina vetivety foana; koa raha vao tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny dia tafintohina miaraka amin’izay izy. DIEM PROTESTANTA saingy tsy alatsany lalina ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao mitranga ny fahoriana na fanenjehana noho ny tenin’Andriamanitra, dia very finoana izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara saingy tsy alatsany lalina ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao mitranga ny fahoriana na fanenjehana noho ny tenin’Andriamanitra, dia very finoana izy. Baiboly Protestanta Malagasy nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Malagasy Bible nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. La Bible en Malgache nefa tsy mamahatra lalina ao anatiny ireny fa mihelina vetivety foana; koa raha vao tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny dia tafintohina miaraka amin’izay izy. |
Amin’izay ianareo va hilaza hoe: ‹Nahoana isika no nanenjika azy?› fa ho hita ny mahamarina ny adiko.
«Noho izany, izao no lazaiko aminareo: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota rehetra sy amin’ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana;
Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony.
Koa hoy i Jesoa tamin’ireo Jody nino Azy: «Raha mahatana ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa,
Izay rehetra mila sitraka araka ny nofo, dia ireny no manery anareo hoforàna; nefa noho izao ihany: fandrao enjehina noho ny Hazofijalian’i Kristy izy.
Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Asia, isan’ireny i Figèlo sy i Hermôgena.
Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan’izy rehetra aho; enga anie ka tsy hotanana ho helony izany!
mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?
Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra.
Aza matahotra na inona na inona amin’izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny devoly, mba ho voazaha toetra ianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana
Fantatro ny itoeranao, dia eo amin’ny misy ny seza fiandrianan’i Satana; nefa mitana mafy ny Anarako ianao, ka tsy nandà ny finoana Ahy na dia tamin’ny andron’i Antipasy martiriko aza, izay lehilahy mahatoky Ahy sy novonoina teo aminareo, dia teo amin’izay onenan’i Satana.