Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 4:17 - DIEM PROTESTANTA

17 saingy tsy alatsany lalina ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao mitranga ny fahoriana na fanenjehana noho ny tenin’Andriamanitra, dia very finoana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 nefa tsy mamahatra lalina ao anatiny ireny fa mihelina vetivety foana; koa raha vao tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny dia tafintohina miaraka amin’izay izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 saingy tsy alatsany lalina ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao mitranga ny fahoriana na fanenjehana noho ny tenin’Andriamanitra, dia very finoana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 nefa tsy miorina lalina ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 nefa tsy mamahatra lalina ao anatiny ireny fa mihelina vetivety foana; koa raha vao tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny dia tafintohina miaraka amin’izay izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 4:17
23 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ianareo hoe: «Ahoana no fanenjika azy, hahitana izay anton-javatra hitsarana azy?»


Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!


Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan’Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan’ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an’Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.


saingy tsy mandatsaka lalina izany ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao misy fijaliana na fanenjehana noho ny tenin’Andriamanitra, dia very finoana.


Ao koa ny amafazana an-tany be vato: vao mahaheno ny teny izy, dia mandray azy an-kafaliana,


Ao indray ny amafazana anaty tsilo: mahaheno ny teny izy,


Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.


Dia hoy i Jesoa tamin’ireo Jiosy nino Azy: –Raha maharitra mitana ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa;


Izay rehetra te hiseho ho tsara araka ny maha olombelona, dia ireo no manery anareo hoforana; nefa noho izao antony izao ihany: mba tsy hanenjehana azy noho ny hazofijalian’i Kristy.


Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Azia, ka isan’ireny ry i Figelo sy i Hermozena.


Fa i Damasy efa nandao ahy, satria mankamamy an’izao fiainana ankehitriny izao izy ka lasa nankany Tesalônika. I Kresensa dia lasa any Galatia ary i Tito any Dalmatia.


Fony aho nandaha-teny hiarovako tena tamin’ny voalohany, dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa ny olona. Tsy hotanan’Andriamanitra ho hadisoany anie izany!


Hanao ahoana kosa àry izay manao tsinontsinona ilay Zanak’Andriamanitra sy mihevitra fa ny ra iorenan’ny Fanekempihavanana sady nanadiovana azy dia tsy misy hasiny ary maniratsira ny Fanahy Masina nandraisany fahasoavana? Hanao ahoana ny hamafin’ny fampijaliana heverinareo fa tokony hihatra aminy?


Avy tamintsika ihany ireo no niala, saingy tsy namantsika; satria raha namantsika tokoa ireo, dia ho naharitra niaraka tamintsika. Fa ireo no niala, dia mba hampiharihary fa tsy namantsika avokoa ny olona rehetra.


Aza matahotra na inona na inona amin’izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.


Fantatro izay onenanao, dia ao amin’izay itoeran’ny sezafiandrianan’i Satàna. Mifikitra mafy amiko ianao ka tsy mandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy aza, izay vavolombeloko sady lehilahy mahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ity toerana onenan’i Satàna ity.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra