Marka 2:7 - Baiboly Katolika «Ahoana no itenenan’ilay ity toy izany? Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? DIEM PROTESTANTA «Nahoana no miteny toy izany ilay ity? Manevateva an’Andriamanitra! Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany?» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Nahoana no miteny toy izany ilay ity? Manevateva an’Andriamanitra! Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany?» Baiboly Protestanta Malagasy Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? Malagasy Bible Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? La Bible en Malgache Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? |
Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.
Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.
Tamin’izay dia notriarin’ilay lehiben’ny mpisorona ny fitafiany ka hoy izy: «Niteny ratsy an’Andriamanitra Izy, ka ahoana indray no hilantsika vavolombelona? Indro efa renareo ny fitenenany ratsy an’Andriamanitra:
Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: «Miteny ratsy an’Andriamanitra Ilay io.»
Efa renareo teo ny nitenenany ratsy an’Andriamanitra, ka ahoana no hevitrareo?» Dia nataon’izy rehetra fa mendrika ho faty Izy,
Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo?
Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina dia nisaintsaina anakam-po nanao hoe: «Iza moa ity miteny ratsy toy izao ity? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery?»
Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: «Iza moa ity no mamela na dia ny heloka aza?»
Dia hoy ny Jody namaly Azy: «Tsy ny asa soa no itorahanay Anao, fa ny teninao miteny ratsy an’Andriamanitra; satria olombelona fotsiny Ianao, nefa manao ny Tenanao ho Andriamanitra.»
ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny etỳ ambonin’ny tany hoe: miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho?