Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»
Marka 14:21 - Baiboly Katolika Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; nefa loza no hanjò an’izay hamadika Azy! Tsara ho an’izany lehilahy izany ny tsy teraka.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny Zanak’Olona dia mandeha araka izay voasoratra momba Azy, nefa lozan’izay olona hahatonga ny Zanak’Olona ho voatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory izy. DIEM PROTESTANTA Ny Zanak’olona dia efa akaikin’ny ho faty, araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba Azy; mampalahelo anefa ilay olona hanolotra ny Zanak’olona! Tsara raha tsy ary izany olona izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny Zanak’olona dia efa akaikin’ny ho faty, araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba Azy; mampalahelo anefa ilay olona hanolotra ny Zanak’olona! Tsara raha tsy ary izany olona izany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny Zanak’olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan’izay olona hahazoana ny Zanak’olona hatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy ary akory. Malagasy Bible Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory. La Bible en Malgache Fa ny Zanak’Olona* dia mandeha araka izay voasoratra momba Azy, nefa lozan’izay olona hahatonga ny Zanak’Olona ho voatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory izy. |
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»
Nifanerasera tamim-pifankazarana mamy isika; niara-nandeha tamin’ny maro, ho any an-tranon’Andriamanitra isika.
Toy ny nigagan’ny maro nahita azy, - fa rava endrika loatra izy, ka ny tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony; ary ny tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, -
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.
Fa hatao ahoana àry no hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?»
fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay efa voasoratry ny Mpaminany.» Ary tamin’izay dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
Ary hoy Izy taminy: «Ny anankiray aminareo roa ambin’ny folo lahy, izay miara-mandray amiko amin’ny tanany ao an-dovia.
Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: «Raiso, Vatako ity.»
Teo aminareo isan’andro Aho, nampianatra teo amin’ny Tempoly, kanefa tsy nosamborinareo, fa izany no ahatanterahan’ny Soratra Masina,»
Raha ny Zanak’olona, dia mandeha araka ny lahatra; fa loza no hanjò an’izay lehilahy hamadika Azy.»
Dia hoy Izy tamin’izy ireo: «Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny mpaminany ary ny Salamo.»
Nony afaka izany, dia fantatr’i Jesoa fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy Izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina: «Mangetaheta aho.»
mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao, izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany.»
dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;
Fa efa nikaon-doha marina tokoa teto amin’ity tanàna ity i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny Jentily mbamin’ny vahoaka Israely hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao,