Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:49 - Baiboly Katolika

49 Teo aminareo isan’andro Aho, nampianatra teo amin’ny Tempoly, kanefa tsy nosamborinareo, fa izany no ahatanterahan’ny Soratra Masina,»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

49 Teo aminareo isanandro Aho, nampianatra tao amin’ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

49 Teo aminareo isan’andro aho ary nampianatra tao an-kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo. Eny àry, fa dia aoka ho tanteraka ny Soratra Masina!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

49 Teo aminareo isan’andro aho ary nampianatra tao an-kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo. Eny àry, fa dia aoka ho tanteraka ny Soratra Masina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

49 Teo aminareo isan-andro Aho nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy hianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

49 Teo aminareo isan'andro Aho an-kianjan'ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

49 Teo aminareo isanandro Aho, nampianatra tao amin’ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:49
27 Rohy Ifampitohizana  

Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:


Fa hatao ahoana àry no hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?»


Ary tamin’izay dia hoy i Jesoa tamin’ireo vahoaka ireo: «Mova tsy ny hisambotra jiolahy ianareo mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy; nipetraka isan’andro teo aminareo Aho, nampianatra teo an-Tempoly, nefa tsy nosamborinareo;


fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay efa voasoratry ny Mpaminany.» Ary tamin’izay dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.


Nony niala teo izy dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, andafin’i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony.


Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo. Ary raha niasa dia, teo anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona,


Ary mbola nampianatra tao anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia niteny nanao hoe: Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida?


Ary niteny i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Mova tsy ny hisambotra jiolahy no fiavinareo nitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy!


Dia nandao Azy ny mpianany rehetra fa lasa nandositra.


Dia nampianatra isan’andro tao an-Tempoly Izy; fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa nitady hahafaty Azy;


fa lazaiko aminareo fa ity teny voasoratra ity koa tsy maintsy ho tanteraka amiko, dia ilay hoe: Natao lasitra iray amin’ny ratsy fanahy Izy; fa efa ho tapitra daholo ny amiko.»


ary i Jesoa nitsangantsangana tao an-Tempoly tao amin’ny lavarangan’i Salômôna.


ka hoy i Jesoa namaly azy: «Niteny ampahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagoga sy ny Tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona;


Tamin’ny andro lehibe famaranana ny fety, dia nitsangana i Jesoa ka niantso hoe: «Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.


Ary niteny tamin’ny olona indray i Jesoa, ka nanao hoe: «Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.»


fa nony maraina koa vao niverina tany an-Tempoly Izy, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra