Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:49 - DIEM PROTESTANTA

49 Teo aminareo isan’andro aho ary nampianatra tao an-kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo. Eny àry, fa dia aoka ho tanteraka ny Soratra Masina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

49 Teo aminareo isanandro Aho, nampianatra tao amin’ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

49 Teo aminareo isan’andro aho ary nampianatra tao an-kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo. Eny àry, fa dia aoka ho tanteraka ny Soratra Masina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

49 Teo aminareo isan’andro Aho, nampianatra teo amin’ny Tempoly, kanefa tsy nosamborinareo, fa izany no ahatanterahan’ny Soratra Masina,»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

49 Teo aminareo isan-andro Aho nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy hianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

49 Teo aminareo isan'andro Aho an-kianjan'ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:49
27 Rohy Ifampitohizana  

Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe:


Kanefa raha izany, ahoana no hahatanterahan’ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?


Tamin’izay fotoana izay i Jesoa dia niteny tamin’ny andian’olona nirahina hoe: –Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay hisambotra Ahy! Isan’andro Aho dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo.


Fa tonga kosa izany rehetra izany mba hahatanterahan’izay voalazan’ireo mpaminanin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina. Tamin’izay dia nandao an’i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra.


Nony niala teo i Jesoa, dia nankany amin’ny faritra antsisin’i Jodea, eny andafin’ny ony Jôrdàna. Ary tonga maro teo aminy indray ny olona, ka nampianariny toy ny fanaony.


Dia tonga tao Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany. Ary nandehandeha teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa no nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna ary ny loholona.


Raha ilay nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly iny i Jesoa, dia niteny hoe: –Ahoana no ilazan’ny mpahay lalàna fa hoe Zanak’i Davida ny Mesia?


Fa hoy i Jesoa tamin’ireo iraka: –Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay hisambotra Ahy!


Dia nandao an’i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra.


Ary nampianatra isan’andro teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa; fa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna mbamin’ny loholom-bahoaka kosa nitady hahafaty Azy.


Lazaiko aminareo fa tsy maintsy tanteraka amiko ilay tenin’ny Soratra Masina hoe: «Natao ho isan’ny mpanao ratsy Izy»; ary efa ho tanteraka tokoa ity ny momba Ahy.


I Jesoa dia nitsangantsangana tao an-kianjan’ny tempoly, teo amin’ny lala-mitafon’i Salômôna.


ka novalian’i Jesoa hoe: –Izaho dia niteny an-karihary tamin’izao tontolo izao; Izaho dia nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy teo an-kianjan’ny tempoly izay ivorian’ny Jiosy rehetra fa tsy niteny na inona na inona an-takona.


Tamin’ilay andro lehibe famaranana ny fankalazana, dia nijoro i Jesoa ka niantso mafy hoe: –Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy;


Tamin’izay dia nitenenan’i Jesoa indray ny vahoaka nataony hoe: –Izaho no fahazavana ho an’izao tontolo izao; izay miaraka amiko tsy mba handeha anatin’ny haizina, fa hanana ny fahazavana vokatry ny aina!


Ny ampitso maraina be, dia niverina tao an-kianjan’ny tempoly Izy; ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra, ka nipetraka Izy nampianatra azy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra