Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:48 - DIEM PROTESTANTA

48 Fa hoy i Jesoa tamin’ireo iraka: –Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay hisambotra Ahy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

48 Dia niteny taminy Jesosy hoe: Tonga mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny fisambotra jiolahy va ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

48 Fa hoy i Jesoa tamin’ireo iraka: –Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay hisambotra Ahy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

48 Ary niteny i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Mova tsy ny hisambotra jiolahy no fiavinareo nitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

48 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va hianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

48 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

48 Dia niteny taminy Jesosy hoe: Tonga mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny fisambotra jiolahy va ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:48
7 Rohy Ifampitohizana  

Raha mbola niteny i Jesoa, dia indro tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary olona maro nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy, no tafaraka taminy.


Tamin’izay fotoana izay i Jesoa dia niteny tamin’ny andian’olona nirahina hoe: –Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay hisambotra Ahy! Isan’andro Aho dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo.


Nanatsoaka sabatra kosa ny anankiray tamin’ny olona teo anilan’i Jesoa, dia namely an’ilay mpanompon’ny mpisorombe, ka nahafaka ny sofiny.


Teo aminareo isan’andro aho ary nampianatra tao an-kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo. Eny àry, fa dia aoka ho tanteraka ny Soratra Masina!


Ary hoy koa izy hoe: –Nahoana ianao, ry mpanjaka, no dia manenjika ahy mpanomponao? Fa inona loatra no nataoko ary inona no ratsy vitako?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra