Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Ny Zanak’olona dia efa akaikin’ny ho faty, araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba Azy; mampalahelo anefa ilay olona hanolotra ny Zanak’olona! Tsara raha tsy ary izany olona izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Fa ny Zanak’Olona dia mandeha araka izay voasoratra momba Azy, nefa lozan’izay olona hahatonga ny Zanak’Olona ho voatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ny Zanak’olona dia efa akaikin’ny ho faty, araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba Azy; mampalahelo anefa ilay olona hanolotra ny Zanak’olona! Tsara raha tsy ary izany olona izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; nefa loza no hanjò an’izay hamadika Azy! Tsara ho an’izany lehilahy izany ny tsy teraka.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Fa ny Zanak’olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan’izay olona hahazoana ny Zanak’olona hatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy ary akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Fa ny Zanak’Olona* dia mandeha araka izay voasoratra momba Azy, nefa lozan’izay olona hahatonga ny Zanak’Olona ho voatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:21
28 Rohy Ifampitohizana  

Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.


Izany isika nifanao teny mamy sy niara-dia, fony nankao an-tranon’Andriamanitra!


Maro be ny olona no tsiravina raha nijery azy satria niova loatra ny endriny ka tsy toy ny endrik’olona akory; ary ny tarehiny tsy toy ny tarehin’olombelona intsony.


Fito taona impitopolo no voatendry ho an’ny firenenao ary ho an’ilay tanànanao masina; ilaina izany mba hampijanona ny heloka bevava sy hampitsaharana ny ota, mba hamelàna ny fahadisoana sy hisehoan’ny fahamarinana mandrakizay ary mba hahatanterahan’ny fahitana amam-paminaniana sy hanokanana indray ny Toeramasina indrindra.


Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.


Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin’ny madinika Aho.»


Kanefa raha izany, ahoana no hahatanterahan’ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?


Fa tonga kosa izany rehetra izany mba hahatanterahan’izay voalazan’ireo mpaminanin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina. Tamin’izay dia nandao an’i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny anankiray aminareo 12 lahy, ilay miara-manatsoboka mofo amiko ao anaty lovia, no izy!


Raha mbola teo am-pisakafoana iny i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny mpianany ka nataony hoe: –Raiso fa ny tenako ity!


Teo aminareo isan’andro aho ary nampianatra tao an-kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo. Eny àry, fa dia aoka ho tanteraka ny Soratra Masina!


Ny Zanak’olona moa dia efa ho faty araka izay voalahatran’Andriamanitra, nefa mampalahelo ilay olona hanolotra Azy!


Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe: –Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina momba Ahy ao amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany ary ny salamo.


Taorian’izany, dia fantatr’i Jesoa fa efa vita ny zavatra rehetra; ka mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: –Mangetaheta Aho.


handray ny toerana amin’izao fanompoana maha apôstôly izao, fa nilaozan’i Jodasy izany hankanesany any amin’ny toerany manokana.


Natolotra izany Lehilahy izany araka ny voatendrin’ny fikasan’Andriamanitra sy araka ny fandaharany hatrizay rahateo; ka ny namonoanareo Azy dia nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana tamin’ny alalan’ny ratsy fanahy;


Marina tokoa fa i Herôda sy i Pônty Pilato, niaraka tamin’ny olona hafa firenena sy ny vahoaka israelita, dia nivondrona teto amin’ity tanàna ity mba hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra