Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 14:11 - Baiboly Katolika

Faly ireo nony nandre izany, ka nanaiky hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay fotoana mety hamadihany Azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa nandre izany izy ireo dia faly ka nampanantena fa hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay andro hahazoany manolotra Azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Faly ry zareo nandre izany, ka nanaiky hanome vola an’i Jodasy; ary dia notadiavin’i Jodasy izay fotoana mety hanolorany an’i Jesoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Faly ry zareo nandre izany, ka nanaiky hanome vola an’i Jodasy; ary dia notadiavin’i Jodasy izay fotoana mety hanolorany an’i Jesoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa nandre izany izy ireo dia faly ka nampanantena fa hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay andro hahazoany manolotra Azy.

Jereo ny toko



Marka 14:11
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Akaba tamin’i Elia: «Azonao va aho, ry ilay fahavaloko?» Ka hoy ny navaliny: «Azoko ianao, satria nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ianao.


Fa hoy i Elisea taminy: «Tsy niaraka taminao va ny fanahiko, tamin’ilay nilaozan-dralehilahy ny kalesiny hitsena anao? Moa va izao no fotoana fandraisam-bola, na fandraisam-pitafiana, na ôliva, na voaloboka, na ondry, na omby na mpanompo lahy sy vavy?


Ny mpanjaka, falifaliany amin’ny haratsiany; ary ny mpifehy amin’ny laingany.


Ary tamin’izay ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy atao hoe Jodasy IsKariota nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona,


ka nanao taminy hoe: «Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?» Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo.


Ary i Jodasy IsKariota, ilay isan’izy roa ambin’ny folo lahy, dia nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona mba hanolotra Azy.


Ary tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: «Aiza no tianao halehanay hamboaranay ny hihinananao ny Paka?»


Nidiran’i Satana kosa i Jodasy, ilay atao hoe IsKariota, anisan’ny roa ambin’ny folo lahy,


Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.


Mila loza ireo, fa tafiditra amin’ny lalan’i Kaina izy, sy tafahitsoky ny tamby amin’ny hadisoan’i Balaama, ary nanary tena amin’ny fikomian’i Kôre.