Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.»
Marka 13:34 - Baiboly Katolika tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara. DIEM PROTESTANTA Ho tahaka ny amin’ity lehilahy handeha any an-tany hafa izany: nandao ny tranony ralehilahy ary nizara fahefana tamin’ireo mpiasany ka samy notolorany ny raharahany avy, dia nanafatrafatra ny mpiandry vavahady hiambina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho tahaka ny amin’ity lehilahy handeha any an-tany hafa izany: nandao ny tranony ralehilahy ary nizara fahefana tamin’ireo mpiasany ka samy notolorany ny raharahany avy, dia nanafatrafatra ny mpiandry vavahady hiambina. Baiboly Protestanta Malagasy Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara. Malagasy Bible Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara; La Bible en Malgache Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara. |
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.»
Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
Noho izany ihany koa no andoavanareo hetra; fa mpanao raharahan’Andriamanitra ny mpifehy, milozoka amin’izay raharahany.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo.
Ianareo tompo, manaova ny marina sy ny mety amin’ny mpanomponareo; fa fantatrareo fa manan-Tompo any an-danitra koa ianareo.
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Filadelfia: Izao no lazain’Ilay Masina, Ilay Marina, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida, Ilay mamoha, tsy misy mahahidy, ary manidy, tsy misy mahavoha.