Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra.
Marka 13:26 - Baiboly Katolika Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy, eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary amin’izay dia ho hita ny Zanak’Olona, avy eny amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra. DIEM PROTESTANTA Amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita voahodidin-drahona, sady tamy omban-kery lehibe sy ombam-boninahitra; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita voahodidin-drahona, sady tamy omban-kery lehibe sy ombam-boninahitra; Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita avy eo amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra. Malagasy Bible Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra. La Bible en Malgache Ary amin’izay dia ho hita ny Zanak’Olona*, avy eny amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra. |
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra.
Fa ny Zanak’olona dia ho avy, amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak’olona avy, amin’ny fanjakany.»
Amin’izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran’ny Zanak’olona, ka handòn-tratra avokoa ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany; ary ho hitany eo ambonin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona avy, amin-kery sy voninahitra lehibe.
Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
ka novalian’i Jesoa hoe: «Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Ilay mahefa ny zavatra rehetra sy avy, eo ambonin’ny rahon’ny lanitra.»
Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa avy, amin’ny voninahitry ny Rainy Izy, otronin’ny Anjely masina.»
Henemana taorian’izany dia nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.
nanao hoe: «Ry lehilahy avy any Galilea, nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra? Iny i Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra.»
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
Fa tsy nanaraka angano tsara lahatra foana izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery amam-pahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany tokoa.
Indro Izy avy eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza; ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen.