Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: «amintsika Andriamanitra.»
Marka 12:37 - Baiboly Katolika Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony izy, ahoana no maha-Zanany Azy? Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tenan’i Davida no miantso Azy hoe Tompo; koa ahoana ary no maha Zanany Azy? Ary vahoaka betsaka no nihaino Azy tamin-kafaliana. DIEM PROTESTANTA Tenan’i Davida izany no manao ny Mesia hoe «Tompoko», ka ahoana no maha Zanak’i Davida Azy? Ary faly ny vahoaka maro nihaino an’i Jesoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tenan’i Davida izany no manao ny Mesia hoe «Tompoko», ka ahoana no maha Zanak’i Davida Azy? Ary faly ny vahoaka maro nihaino an’i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ny tenan’i Davida manao Azy hoe ,,Tompo’’, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin’ny hafaliana. Malagasy Bible Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana. La Bible en Malgache Ny tenan’i Davida no miantso Azy hoe Tompo; koa ahoana ary no maha Zanany Azy? Ary vahoaka betsaka no nihaino Azy tamin-kafaliana. |
Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: «amintsika Andriamanitra.»
Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa: Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torina amin’ny malahelo ny Evanjely,
Nony nandre ny fanoharana nataony ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nahalala fa izy ireo no lazainy amin’izany,
ka nitady hisambotra Azy; saingy natahotra ny vahoaka izay nanao Azy ho mpaminany izy ireo.
nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany, satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.
Ary vao maraina koa dia nanatona azy tao an-Tempoly ny vahoaka rehetra mba hihaino Azy.
Maro tamin’ny Jody no nahare hoe tao Betania i Jesoa, ka tonga tao, tsy noho i Jesoa ihany, fa mba hahita an’i Lazara ilay natsangany ho velona koa.
azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny noho i Kristy, izay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.
Henoy ange, ry havako malala: Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy?
Izaho Jesoa no naniraka ny Anjeliko hanambara ireo zavatra ireo aminareo ho an’ny Eglizy. Dia Izaho ilay solofo sy taranak’i Davida ary kintana mamirapiratra fitarika andro.