Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 12:37 - DIEM PROTESTANTA

37 Tenan’i Davida izany no manao ny Mesia hoe «Tompoko», ka ahoana no maha Zanak’i Davida Azy? Ary faly ny vahoaka maro nihaino an’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Ny tenan’i Davida no miantso Azy hoe Tompo; koa ahoana ary no maha Zanany Azy? Ary vahoaka betsaka no nihaino Azy tamin-kafaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Tenan’i Davida izany no manao ny Mesia hoe «Tompoko», ka ahoana no maha Zanak’i Davida Azy? Ary faly ny vahoaka maro nihaino an’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony izy, ahoana no maha-Zanany Azy? Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Ny tenan’i Davida manao Azy hoe ,,Tompo’’, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin’ny hafaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

37 Ny tenan’i Davida no miantso Azy hoe Tompo; koa ahoana ary no maha Zanany Azy? Ary vahoaka betsaka no nihaino Azy tamin-kafaliana.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 12:37
14 Rohy Ifampitohizana  

«Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy; ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela,» (izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»).


Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe: –Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika.


mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra.


Nony nandre ireo fanoharana nataon’i Jesoa ireo ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina, dia nahatsiaro tena ho lazainy amin’izany.


Ary nitady hisambotra Azy ry zareo, saingy natahotra ny vahoaka izay nankatò an’i Jesoa ho mpaminanin’Andriamanitra.


Saingy tsy hitan-dry zareo izay hatao satria liana fatratra ny vahoaka rehetra mihaino Azy.


Ary vao maraina be, dia nanatona Azy ao an-kianjan’ny tempoly ny vahoaka rehetra mba hihaino Azy.


Vahoaka maro tamin’ny Jiosy no nahalala fa tao Betania i Jesoa. Dia tonga tao ireo, tsy noho i Jesoa ihany fa mba hahita koa an’i Lazara, ilay natsangany ho velona avy any amin’ny maty.


ary koa manana ny razana niavian’i Kristy ara-nofo, dia i Kristy Ilay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra ankalazaina mandrakizay. Amen!


Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.


Mihainoa, ry havako malala: ireo mahantra eto amin’izao tontolo izao no efa nofidin’Andriamanitra, mba hanan-karena amin’ny finoana ka handray ny Fanjakana izay nampanantenainy homena ireo tia Azy.


«Izaho Jesoa dia efa naniraka ny anjeliko hijoro vavolombelona aminareo ka hanambara izany zavatra izany eo anivon’ireo Fiangonana. Izaho no solofo sy taranak’i Davida, ary kintana fitarikandro mamirapiratra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra