Ry zanak’olona, manaova fampanonona ary milazà fanoharana amin’ny taranak’i Israely; milazà hoe:
Marka 12:15 - Baiboly Katolika Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray denie iray Aho hozahako.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa Izy nahalala ny fihatsarambelatsihin’ireo ka hoy Izy taminy: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria iray Aho mba hojereko. DIEM PROTESTANTA Fantatr’i Jesoa anefa ny fihatsarambelatsihin’ireo, ka hoy Izy taminy: –Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray vola denàry anankiray Aho hojereko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fantatr’i Jesoa anefa ny fihatsarambelatsihin’ireo, ka hoy Izy taminy: –Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray vola denàry anankiray Aho hojereko. Baiboly Protestanta Malagasy Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsarambelatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy hianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy. Malagasy Bible Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy. La Bible en Malgache Fa Izy nahalala ny fihatsarambelatsihin’ireo ka hoy Izy taminy: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria* iray Aho mba hojereko. |
Ry zanak’olona, manaova fampanonona ary milazà fanoharana amin’ny taranak’i Israely; milazà hoe:
Ary rehefa nifanaiky tamin’ny mpiasa Izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony izy ireo.
Fa i Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe: «Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy?».
ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: «Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona ianao, fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa?»
Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy: «Sarin’iza, sy anaran’iza io?» «An’i Sezara» hoy iretsy.
Fa fantatr’i Jesoa ny hafetsen-dratsin’izy ireo, ka hoy Izy taminy: «Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo?
Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: «Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: Fahano àry ny reniondriko.
Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany.
Dia hoy i Piera taminy: «Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ny Tompo? Indro mby eo am-baravarana ny tongotr’izay nandevina ny vadinao, ka hitondra anao koa.»
Eny, aoka isika tsy haka fanahy an’i Kristy, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny bibilava izy ireny;
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
Hasiako amin’ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.