Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 12:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fantatr’i Jesoa anefa ny fihatsarambelatsihin’ireo, ka hoy Izy taminy: –Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray vola denàry anankiray Aho hojereko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa Izy nahalala ny fihatsarambelatsihin’ireo ka hoy Izy taminy: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria iray Aho mba hojereko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fantatr’i Jesoa anefa ny fihatsarambelatsihin’ireo, ka hoy Izy taminy: –Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray vola denàry anankiray Aho hojereko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray denie iray Aho hozahako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsarambelatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy hianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Fa Izy nahalala ny fihatsarambelatsihin’ireo ka hoy Izy taminy: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria* iray Aho mba hojereko.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 12:15
14 Rohy Ifampitohizana  

«Ry ilay taranak’olombelona, manaova ankamantatra ary fanoharana ho an’ny Israelita,


Ka rehefa nifanekeny denàry anankiray avy isan’andro ireo mpiasa, dia nirahiny hiasa any an-tanimboalobony.


Takatr’i Jesoa anefa ny sain-dratsin’ireo ka hoy Izy taminy: –Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana no maka fanahy Ahy ianareo?


Dia nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba hamandrika Azy ka nanontany Azy hoe: –Azon’ny lehilahy atao ve ny manary vady?


ka nony tonga teo ry zareo, dia nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina Ianao sady tsy mampaninona anao izay mety ho hevitry ny hafa, ary tsy mizaha tavan’olona Ianao fa mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra. Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an’ny amperôra rômanina sa tsia? Tokony handoa izahay sa tsy handoa?


Dia nitondrany, ka hoy i Jesoa taminy: –Sarin’iza io ary anaran’iza? Dia novalian’ireo hoe: –An’ny amperôra rômanina!


Takatr’i Jesoa anefa ny hafetsen-dratsin’ireo ka hoy Izy taminy:


Ary hoy indray i Jesoa tamin’i Petera fanintelony: –Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao? Dia nalahelo i Petera fa nataon’i Jesoa fanintelony hoe: «Moa tia Ahy ve ianao?», ka hoy ny navaliny Azy: –Ianao, ry Tompo, no mahalala ny zavatra rehetra, ka fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: –Fahano ireo ondriko.


Nolazain’ireo izany hamandrihana Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratsoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsan-tanany.


Ary hoy i Petera taminy: –Nahoana no dia niray tetika nizaha toetra ny Fanahin’ny Tompo ianareo? Mby eo an-tokonam-baravarana izao ireo zatovo avy nandevina ny vadinao, ka hoentiny halevina koa ianao.


Aoka isika tsy haka fanahy ny Tompo toy ny nataon’ny sasany tamin’ireny, izay maty voakaikitry ny bibilava.


Tsy misy zavaboaary miafina amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony, ary Izy no hampamoaka antsika ny amin’izay ataontsika.


Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra