Marka 11:33 - Baiboly Katolika Dia izao no navaliny an’i Jesoa. «Tsy fantatray.» «Ary Izaho kosa, hoy i Jesoa taminy, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia namaly an’i Jesosy izy ireo hoe: Tsy fantatray. Hoy Jesosy taminy: Izaho koa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao. DIEM PROTESTANTA Koa dia izao no navaliny an’i Jesoa: –Tsy hitanay izay holazaina! Ary hoy i Jesoa taminy: –Izaho koa tsy hilaza aminareo ny fahefana anaovako an’izao zavatra izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa dia izao no navaliny an’i Jesoa: –Tsy hitanay izay holazaina! Ary hoy i Jesoa taminy: –Izaho koa tsy hilaza aminareo ny fahefana anaovako an’izao zavatra izao. Baiboly Protestanta Malagasy Dia namaly an’i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao. Malagasy Bible Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao. La Bible en Malgache Dia namaly an’i Jesosy izy ireo hoe: Tsy fantatray. Hoy Jesosy taminy: Izaho koa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao. |
Ny omby mahalala ny tompony; ary ny ampondra, ny fihinanam-bilon’ny tompony; fa i Israely kosa tsy manam-pahalalana, ny vahoakako tsy mba manan-tsaina.»
Fa ny mpiambina an’i Israely jamba avokoa, tsy mahalala na inona na inona; amboa moana avokoa izy rehetra, ka tsy mahavovò; fa manonofy, mandrimandry, tia torimaso.
Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.
Koa hainareo ny maminany amin’ny endriky ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana kosa tsy hainareo. Ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity dia mitady famantarana, fa tsy hisy famantarana hafa homena azy afa-tsy ny an’i Jônasy mpaminany ihany.» Dia nilaozany teo ireo, ka lasa Izy.
Dia izao no navaliny an’i Jesoa: «Tsy fantatray» - «Izaho kosa àry, hoy Izy taminy, dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.»
Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.»
Ary niteny tamin’izy ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe: «Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina, nandavaka tany hanaovana famiazana, nanorina tilikambo tao, ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka, dia lasa nankany an-tany hafa.
Ka hoy ny navaliny azy ireo: «Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo akory; ka ahoana indray no itiavanareo handre? Te ho tonga mpianany koa va ianareo?»
Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao,
Mandraka ankehitriny, isaky ny vakina ny tenin’i Môizy, dia toa misy sarona manarona ny fon’izy ireo;