I Iaveh mampihiratra ny jamba; i Iaveh mampitraka ny mitanondrika; i Iaveh tia ny marina;
Marka 10:52 - Baiboly Katolika «Mandehana, hoy i Jesoa, fa ny finoanao no nahavonjy anao.» Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’izay ny masony ka nanaraka an’i Jesosy teny an-dalana izy. DIEM PROTESTANTA Ka hoy i Jesoa: –Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao! Dia nahiratra niaraka tamin’izay ilay jamba, ka lasa nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy i Jesoa: –Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao! Dia nahiratra niaraka tamin’izay ilay jamba, ka lasa nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’izay ny masony, ka nanaraka an’i Jesosy teny an-dàlana izy. Malagasy Bible Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy. La Bible en Malgache Hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’izay ny masony ka nanaraka an’i Jesosy teny an-dalana izy. |
I Iaveh mampihiratra ny jamba; i Iaveh mampitraka ny mitanondrika; i Iaveh tia ny marina;
Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.
mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torina amin’ny malahelo ny Evanjely,
Tamin’izay nisy lehilahy azon’ny demony, sady jamba no moana, nentina teo aminy: dia nositraniny io, ka niteny sy nahita.
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao.» Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.
Ary i Jesoa naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: «Mety Aho, madiova ianao.» Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: «Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao.» Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.
Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nandroso sakafo ho Azy izy.
Ary hoy Izy taminy: «Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin’ny aretinao.»
Dia nametrahany tanana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra.
Fa hoy Izy tamin-dravehivavy: «Ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana.»
dia hoy Izy tamin’izy ireo: «Na iza na iza mandray itony zazakely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe.»
Dia hoy i Jesoa: «Fanavahana no nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra ary ho tonga jamba izay mahiratra.» Izay mahiratra. Ny mpiavonavona mihambo ho hendry.
mba hampahiratra ny mason’izy ireo, hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, sy avy amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin’ny olo-masina noho ny finoana Ahy.