Marka 1:38 - Baiboly Katolika Fa izao no navaliny: «Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hifindra hankany amin’ny tanàna hafa etỳ amin’ny manodidina mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako. DIEM PROTESTANTA Fa hoy ny navaliny azy efa-dahy: –Andeha isika ho any an-toeran-kafa, any amin’ny tanàna akaiky manodidina, mba hitoriako teny any koa; izany manko no nialako tao an-tanàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy ny navaliny azy efa-dahy: –Andeha isika ho any an-toeran-kafa, any amin’ny tanàna akaiky manodidina, mba hitoriako teny any koa; izany manko no nialako tao an-tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako. Malagasy Bible Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako. La Bible en Malgache Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hifindra hankany amin’ny tanàna hafa etỳ amin’ny manodidina mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako. |
Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagogan’ny olona sy eran’i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony.
Fa hoy Izy taminy: «Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?»
fa hoy Izy taminy: «Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy.»
Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.
Nanome voninahitra Anao Aho tetỳ ambonin’ny tany, fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko.
satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny; dia fantany marina fa avy aminao Aho, ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy.
Tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka Ahy Aho raha mbola antoandro; fa ho avy ny alina izay tsy azon’olona na iza na iza iasana.