Marka 1:31 - Baiboly Katolika Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nandroso sakafo ho Azy izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy ka afaka ny tazony ary nanompo azy ireo izy. DIEM PROTESTANTA Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan’ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an’ireo vahiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan’ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an’ireo vahiny. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy. Malagasy Bible Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy. La Bible en Malgache Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy ka afaka ny tazony ary nanompo azy ireo izy. |
Nisy vehivavy maromaro koa nitazana teny lavidavitra teny, dia ireo izay nanaraka an’i Jesoa sy nanompo Azy hatrany Galilea:
Ary ny rafozam-bavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay.
Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony,
izay nanaraka Azy sy nanompo Azy fony izy tany Galilea. Fanampin’ireo koa nisy vehivavy maro izay niara-niakatra taminy tany Jerosalema.
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe: «Talita, komỳ» izany hoe: «Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.»
Ary i Piera kosa nanolo-tanana azy, sy nampitsangana azy; dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena, ka nanolotra azy velona tamin’izy ireo.