Izy no ho fiadanana. Rehefa ho tonga eto amin’ny tanintsika ny Asirianina, ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony, dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy, sy mpifehy ny vahoaka valo,
Marka 1:28 - Baiboly Katolika Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin’izay teny amin’ny tontolo manodidina tamin’ny tany rehetra manerana an’i Galilia. DIEM PROTESTANTA Ary poatoizay dia niely eran’ny faritany Galilea manontolo ny lazan’i Jesoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary poatoizay dia niely eran’ny faritany Galilea manontolo ny lazan’i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lazany dia niely niaraka tamin’izay teny tontolo eny tamin’ny tany rehetra eran’i Galilia. Malagasy Bible Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia. La Bible en Malgache Ary ny lazany dia niely niaraka tamin’izay teny amin’ny tontolo manodidina tamin’ny tany rehetra manerana an’i Galilia. |
Izy no ho fiadanana. Rehefa ho tonga eto amin’ny tanintsika ny Asirianina, ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony, dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy, sy mpifehy ny vahoaka valo,
Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.
Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: «Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.»
Raha vao nivoaka avy tao amin’ny sinagoga izy ireo, dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre Izy sy i Jakôba ary i Joany.
Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangigina Izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:
Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana Azy izany.