Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 1:22 - Baiboly Katolika

Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia talanjona tamin’ny fampianarany ny olona, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy fa tsy mba tahaka ny mpanoradalàna.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Talanjona ny olona nihaino ny fampianarany, satria nampianatra azy tamin-pahefana i Jesoa, fa tsy tahaka ireo mpahay lalàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Talanjona ny olona nihaino ny fampianarany, satria nampianatra azy tamin-pahefana i Jesoa, fa tsy tahaka ireo mpahay lalàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia talanjona tamin’ny fampianarany ny olona, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy fa tsy mba tahaka ny mpanoradalàna*.

Jereo ny toko



Marka 1:22
14 Rohy Ifampitohizana  

Moa ny teniko va, tsy tahaka ny afo, - teny marin’i Iaveh, - sy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy?


ka nankany amin’ny tany nahabe azy, ary nampianatra tao amin’ny sinagoga; dia gaga ny olona ka nanao hoe: «Avy taiza àry no nahazoan’Izy io izany fahendrena sy hery izany?


Ary tao amin’ny sinagogany dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy


ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahendreny sy ny famaliny.


fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively.


ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany, satria niteny toy ny manam-pahefana Izy.


Fa hoy ny navalin’ny miaramila: «Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny.»


ka nony tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany izy ireo,


sanatriavinay ny zava-mahamenatra atao an-katakonana; tsy mandeha an-kafetsena izahay, na manampoka ny tenin’Andriamanitra; fa asehonay tsotra izao ny marina, ka tonga mendrika hitokian’ny olon-drehetra eo anatrehan’Andriamanitra izahay.