Maro ny olona nitondra fanatitra ho an’i Iaveh tany Jerosalema ary fanomezana sarobidy ho an’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, izay tonga voasandratra teo imason’ny firenena rehetra hatramin’izay.
Malakia 3:12 - Baiboly Katolika Hataon’ny firenena rehetra hoe, sambatra, ianareo; satria ho tany mahafinaritra ianareo, hoy i Iaveh’ny tafika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra ianareo, fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. DIEM PROTESTANTA Ary hataon’ny firenen-drehetra hoe sambatra ianareo, satria hahafinaritra hivelomana ny taninareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hataon’ny firenen-drehetra hoe sambatra ianareo, satria hahafinaritra hivelomana ny taninareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hianareo hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Malagasy Bible Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. La Bible en Malgache Ary hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra ianareo, fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. |
Maro ny olona nitondra fanatitra ho an’i Iaveh tany Jerosalema ary fanomezana sarobidy ho an’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, izay tonga voasandratra teo imason’ny firenena rehetra hatramin’izay.
Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany! Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!
Ny taranak’izy ireo, halaza eny amin’ny firenena; ary ny tanimanga any amin’ny firenen-tsamihafa. Izay hahita azy hahalala azy avokoa, fa taranaka nosoavin’i Iaveh izy ireo.
Tsy hisy intsony hanao anao hoe «i Nafoy»; ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe «i Faharinganana.» Fa ny hiantsoana anao dia hoe «I Ankasitrahiko»; ary ny taninao «i Vady ampakarina». Satria i Iaveh hankasitraka anao; ary ny taninao hahazo vady.
Tahaka ny ampakaran’ny zatovo ny virjiny ho vadiny, no hampakaran’ny zanakao anao; ary tahaka ny hamalifalian’ny ampakarina ny mpampakatra, no hamalifalianao ny Andriamanitrao.
Ary ny anaran’ity tanàna ity ho Ahy dia ho anaram-pifaliana sy fiderana amam-boninahitra, any amin’ny firenen-drehetra ambonin’ny tany, izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; ho raiki-tahotra sy hangovitra ireny, mahita ny fiadanana amam-panambinana rehetra homeko azy ireo.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, hisy folo lahy avy amin’ny fitenim-pirenena rehetra, ka hihazona, eny hihazona ny sisin-damban’ny Jody anankiray, ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo koa izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra!»
Mafy loatra ny teninareo mamely Ahy, hoy i Iaveh. Ary hoy ianareo: Inona no resakay momba Anao? Izao no nolazainareo:
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizy vaviny. Fa indro, hatramin’izao, dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho,
tany kolikolen’i Iaveh Andriamanitrao, ary tsinjovin’ny mason’i Iaveh tsy tapaka hatramin’ny voalohan’ny taona ka hatramin’ny faran’ny taona.