Amin’ny andro fahavalo izy hitondra zanak’ondry tsy misy kilema roa, ondrivavy vao iray taona, tsy misy kilema, iray, lafarina tsara indrindra telo ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga.
Levitikosy 9:1 - Baiboly Katolika Nony mby amin’ny andro fahavalo, nampanalain’i Môizy i Aarôna sy ny zanany ary ny loholon’i Israely, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny andro fahavalo dia nampiantso an’i Arona sy ireo zanany ary ny loholon’ny Israely i Mosesy. DIEM PROTESTANTA Tamin’ny andro fahavalo, dia nampanalain’i Mosesy i Aharôna sy ny zanany ary ny loholon’i Israely, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny andro fahavalo, dia nampanalain’i Mosesy i Aharôna sy ny zanany ary ny loholon’i Israely, Baiboly Protestanta Malagasy ARY tamin’ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an’i Arona sy ny zanany ary ny loholon’ny Isiraely. Malagasy Bible Ary tamin'ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an'i Arona sy ny zanany ary ny loholon'ny Isiraely. La Bible en Malgache Tamin’ny andro fahavalo dia nampiantso an’i Arona sy ireo zanany ary ny loholon’ny Israely i Mosesy. |
Amin’ny andro fahavalo izy hitondra zanak’ondry tsy misy kilema roa, ondrivavy vao iray taona, tsy misy kilema, iray, lafarina tsara indrindra telo ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga.
Hoentiny ho eo amin’ny mpisorona ireo ho fidiovany, amin’ny andro fahavalo, dia eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, eo anatrehan’i Iaveh.
Amin’ny andro fahavalo hitondra domohina roa na vanto-boromahailala roa izy, ka hankeo anatrehan’i Iaveh, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, ary homeny ny mpisorona izany.
Amin’ny andro fahavalo haka domohina roa izy, na vanto-boromahailala roa, ka hitondra ireo amin’ny mpisorona eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.
Tsy hiala eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ianareo, mandritra ny hafitoana, dia mandra-pahatapitra ny andro fanokanana anareo, fa haharitra hafitoana ny fanokanana anareo.
Dia nataon’i Aarôna sy ny zanany ny zavatra rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.
Ary amin’ny andro fahavalo, dia hitondra domohina roa na vanto-boromahailala roa amin’ny mpisorona izy, eo anoloan’ny trano lay fihaonana.
Tamin’ny alin’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana i Maria Madelenina sy ilay Maria anankiray.