Tsy hiala eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ianareo, mandritra ny hafitoana, dia mandra-pahatapitra ny andro fanokanana anareo, fa haharitra hafitoana ny fanokanana anareo.
Levitikosy 8:34 - Baiboly Katolika Izao atao anio izao, dia nodidian’i Iaveh hatao mandritra ny hafitoana hanaovana ny fanonerana ho anareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tahaka ny efa natao androany no nandidian’NY TOMPO hatao mba hanaovana fanavotana ho anareo. DIEM PROTESTANTA Tahaka ny efa natao androany no voadidin’ny TOMPO hatao, mba hahazoanareo famelan-keloka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tahaka ny efa natao androany no voadidin’ny TOMPO hatao, mba hahazoanareo famelan-keloka. Baiboly Protestanta Malagasy Tahaka ny efa natao androany no nandidian’i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo. Malagasy Bible Tahaka ny efa natao androany no nandidian'i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo. La Bible en Malgache Tahaka ny efa natao androany no nandidian’NY TOMPO hatao mba hanaovana fanavotana ho anareo. |
Tsy hiala eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ianareo, mandritra ny hafitoana, dia mandra-pahatapitra ny andro fanokanana anareo, fa haharitra hafitoana ny fanokanana anareo.
Hijanona hafitoana andro aman’alina, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ianareo, ka hitandrina ny didin’i Iaveh mba tsy ho faty ianareo, fa izany no didy azoko.»
tsy mba voatendry araka ny didin’ny Lalàna momba ny nofo, fa araka ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana,
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.