Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 8:22 - Baiboly Katolika

Nasainy naroso koa ny ondralahy anankiray, ny ondralahy fanokanana; ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ondralahy aloha,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia noentiny nanatona koa ny ondrilahy faharoa, dia ny ondrilahy fanokanana; ary nametraka ny tanany tamin’ny lohan’ny ondrilahy i Arona sy ireo zanany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Farany, nasain’i Mosesy nampanatonina ny ondrilahy faharoa, dia ilay ondrilahy hanaovana ny sorona fanokanana; ka i Aharôna sy ny zanany no nametra-tanana teo amin’ny lohan’ilay ondrilahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Farany, nasain’i Mosesy nampanatonina ny ondrilahy faharoa, dia ilay ondrilahy hanaovana ny sorona fanokanana; ka i Aharôna sy ny zanany no nametra-tanana teo amin’ny lohan’ilay ondrilahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin’ny lohan’ny ondrilahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia noentiny nanatona koa ny ondrilahy faharoa, dia ny ondrilahy fanokanana; ary nametraka ny tanany tamin’ny lohan’ny ondrilahy i Arona sy ireo zanany.

Jereo ny toko



Levitikosy 8:22
10 Rohy Ifampitohizana  

Izany no lalàna momba ny sorona dorana, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana, ny fanokanana, ary ny sorom-pihavanana,


«Alao i Aarôna sy ny zanany miaraka aminy, ny fanamiana, ny diloilo fanosorana, ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ny ondralahy roa, ary ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay;


Dia nalain’i Môizy ny tratran’ny ondralahy fanokanana, ka nahevahevany ho fanatitra eo anatrehan’i Iaveh; io no anjaran’i Môizy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Manamasina ny Tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.


Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,


Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!


Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy, sy nahafoizany Tena ho azy,


ka hanolotra azy ho an’ny Tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro.