Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 7:13 - Baiboly Katolika

Ary hampiana mofomamy misy lalivay, ny fanatitra izay haterina miaraka amin’ny sorom-pisaorana hanaovana sorom-pihavanana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Miaraka amin’ny mofo misy masirasira no hanolorany ny fanatiny, ho fanampin’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ankoatra ireo mofo tsy misy leviora ireo, dia hanatitra mofo misy leviora koa izy ho fanampin’ilay sorom-pihavanana atao ho fisaorana an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ankoatra ireo mofo tsy misy leviora ireo, dia hanatitra mofo misy leviora koa izy ho fanampin’ilay sorom-pihavanana atao ho fisaorana an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary miaraka amin’ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Miaraka amin’ny mofo misy masirasira no hanolorany ny fanatiny, ho fanampin’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.

Jereo ny toko



Levitikosy 7:13
7 Rohy Ifampitohizana  

dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina, ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika, fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»; ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo.


Fa azonareo atolotra an’i Iaveh ho fanatitra voaloham-bokatra izany; nefa tsy hisy apetraka eo ambonin’ny ôtely ho fanatitra misy hanitra ankasitrahina.


Mitondrà, avy any an-tranonareo, mofo roa, ho fanatitra hahevaheva natao tamin’ny lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah, sy nandrahoina nasiana lalivay; santa-bokatra ho an’i Iaveh izany.


Miaraka amin’ireo mofo ireo, ny haterinareo amin’i Iaveh ho sorona dorana dia zanak’ondry fito, samy efa iray taona, tsy misy kilema, vantotr’ombalahy iray, ondralahy roa; ampiarahina amin’ireo koa ny fanatitra sy ny fanatitra araraka; sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh izany.


Ataovy manetona ny fanati-pisaorana tsy misy lalivay; miantsoa ny fanatitra an-tsitrapo, ka torio ampahibemaso izany! Fa izany no tianareo, ry zanak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -


Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.


Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon’Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rehefa raisina amim-pisaorana koa.